|
|
| | | | |
|
| Teny iditra | 1 Tsy hitony tsy akory |
| Singan-teny | 2tsy, 3mitony, 4akory |
| Sokajin-teny | 5 anarana (lohatenin-tononkalo) [Fitanisana] |
| Voambolana | 6 Haisoratra: tononkalo |
| Mpanoratra |
7Rabearivelo Jean-Joseph |
| Lahatsiratra manontolo |
8 Na dia misy olon-tiana 9 Hanakely ny mahory, 10 Sy hitondra hafaliana - 11 Tsy hitony tsy akory ! 12 Na dia misy anjely soa 13 Hanafoana sorisory, 14 Sy hamalifaly koa - 15 Tsy hitony tsy akory 16 Na dia manan-kery aza 17 Ny fitia mamorivory, 18 Dia sahiko ny milaza: 19 Tsy hitony tsy akory ! 20 Tsy hitony tsy akory 21 Fa diso ny finoana 22 Ry raozy e, esory 23 Ny tsilo manoloana. 24 Tsy hitony tsy akory 25 F' efa diso fanantena ! 26 Ny foko avela hatory, 27 Hanadino e, ry sena ! 28 Eny indrisy ! tsy hitony 29 Fara hery : manadino. 30 Fa ny tsy ho tia intsony 31 'Zany kosa, aza mino ! |
| Nohavaozina tamin' ny 2025/10/11 |
|